Ny 30 oktobra hatramin’ny 1 novambra ho avy izao, any Mahajanga, no hatao ny fifanintsanana nasionaly amin’ny taranja taekwondo. Araka ny vaovao voaray omaly, avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taekwondo WT (FMTKD), mahatratra 500 mahery ireo mpikatroka hifaninana any an-toerana. Araka ny nambarany hatrany, avy amin’ny ligy fito izay mandrafitra ny rafitra federaly izy ireo, anisan’izany ny ligin’i Boeny, mpampiantrano, Analamanga, Atsinanana, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Vatovavy ary Betsiboka.
Hampiavaka ity fifaninanam-pirenena ity ny hisian’ny fifanandrinana ho an’ny isan-tarika, saingy miankina amin’ny fotoana tanteraka izany, raha ny nambaran’ity loharanom-baovao iray eo anivon’ny FMTKD ity ihany. Ankoatra izay, mbola nohamafisin’ny FMTKD ny fikasana ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, sokajin-dalao “poomsae” na fihetsika mirindra, izay hatao any Hong Kong, ny 23 – 27 novambra ho avy izao. Tsy afaka miatrika io lalao maneran-tany io anefa ny Malagasy raha tsy mahazo ilay «Code» iraisam-pirenena. Hatramin’izao, tsy mbola nahazo vaovao mahakasika izany ny federasiona. Raha tsiahivina, any amin’ilay mpitantana ny FMTKD teo aloha ity “code” ity.
Fitia Randria