Angovo : hampiroboroboana ny fandrahoana madio

Dingana vaovao! Nampa­hafantarina, omaly, ny fanombohana ny Fandrahoan-tsakafo madio ho an’ny rehetra eto Madagasikara (MCCI). Iarahan’ ny fanjakana, amin’ny alalan’ ny minisiteran’ny Angovo (MEH), ny Indostria sy varotra (MIC), ny Tontolo iainana (Medd), ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika iraisam-pirenena (SeforAll, Pnud, Onudi, Pam, WWF, UKAid, MECS, Opec Fund), ny sehatra tsy miankina, ny mpikaroka, manatanteraka.
Mahatratra 8 800 t isan-taona ny saribao ekolojika vo­karina eto Madagasikara. Tan­jona ny hampitomboana avo dimy heny (44 000 t) amin’ny taona 2027, ka andrasana ny mpisehatra rehetra ao anatin’ ity fandaharanasa MCCI ity. Miandrandra izany ny sehatra tsy miankina, satria ilana fa­ma­tsiam-bola ny tetikasa.
Maro ny karazana sy kojakoja angovo madio efa voka­rina eto amintsika, saingy tsy mbola ampiasain’ny daholobe, toy ny saribao, ny solika éthanol, ny fatana, ny fandrahoan-tsakafo, ny fandoroana, sns. Tafi­ditra ao anatin’ny fandaharanasa MCCI ny hanohanana ny mpamokatra, fa eo koa ny mpanjifa, amin’ny alalan’ny fampihenam-bidy mba ho zakan’ ny rehetra. Miteraka asa mi­vantana 700, asa ankolaka 2 500 ary mahakasika olona 50 000. Tanjona ny hisitrahin’ ny olona 5 tapitrisa izany.
Raha ny antontanisa an­kehitriny, mbola ampiasaina amin’ny fandrahoan-tsakafo ny 80% ny angovo eto Mada­gasikara (68% kitay, 10% saribao, 2% hafa), ho an’ny herinaratra ny 2% (tohodrano, solika, masoandro), ho an’ny fitaterana ny 17%.

Njaka A.

Partager sur: