Tao anatin’ny telo volana fahatelo : 444 ireo orinasa ara-dalàna niforona

Mitotaly 444 ny antontanisana orinasa nisoratra anarana eo anivon’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) tao anatin’ny telo volana fahatelo, ny taona 2024. 82,6% izany dia misehatra eo amin’ny tontolon’ny fanorenana, ny tsena, ny tolotra ary ny niomerika. Porofo izao fa manomboka mahazo vahana eto amintsika ireo sehatra ireo. Na izany, vitsy monja ireo antontanisa voarakitra eo amin’ny sokajy faharoa sy voalohany, izay tsy misy afa-tsy 14,9% sy 2,5%. Midika izany fa ilana ny fampivoarana ny indostria sy ny fampanarahan-dalàna ny sokajy voalohany misy ireo fambolena sy fiompiana, hoy ny EDBM.
Ankoatra izay, ahitana mpiara-miombon’antoka malagasy avokoa ny 67% amin’ireo orinasa vaovao nisoratra eny anivon’ny EDBM. Nomarihiny fa miara-miasa amina teratany ny sinoa, frantsay, karana, maorisianina ary pakistaney.

Toekarena
Manodidina ny 19,5% ny tahan’ny asa fandraharahana eto Madagasikara ka mametraka ny firenena amin’ny laharana fahavalo maneran-tany raha voalohany kosa amin’ireo firenena ambany fidiram-bola, ny taona 2020. Mandray anjara amin’ny harinkarena faobe ny tontolon’ny fandraharahana. Andrasana hiakatra 4,5% ny tahan’ny harinkarena faobe ho an’ity taona ity. Andrasana hiakatra 4,4% ny sokajy voalohany, vinavinaina hiakatra 5,1% ny sokajy faharoa. Tanjona ny hampakatra ho 4,5% ny sokajy fahatelo.

Henintsoa Hani

Partager sur: