Raha ho an-dry zareo ivelany, efa manana ny toerany ny karazan-javakanto mampatahotra. Maro ny Malagasy mpanakanto efa mahafehy ny famokarana sy fanatontosana zavakanto ao anatin’io karazany io. Izany indrindra no antony hisian’ny hetsika ho fanomezana sehatra azy ireny.
Hotanterahina eny amin’ ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba ny 26 hatramin’ny 31 oktobra 2024 ny «Festival Thrillers» andiany fahatelo. Hetsika ara-javakanto hanomezana sehatra manokana ireo zavakanto mampatahotra. Anisan’izany ny horonantsarimihetsika, teatra, tantara an-tsary, boky ary tantara foronina. Ankoatra ireo, hisy ihany koa ny tafa sy velakevitra iarahana amin’ireo mpanakanto mpiangaly sy mpanatontosa azy ireo. Vao manomboka mametraka ny maha izy azy kosa izy raha ny eto Madagasikara. Tanjona ny hampiroboroboana sy hametrahana izany amin’ny toerany sahala amin’ireo karazan-javakanto hafa.
Hahazo tombony manokana ireo mpankafy zavakanto mampataotra ao anatin’ny «Festival Thrillers». Anisan’ny handravaka ny hetsika ny fandefasana ny “R+3”, horonantsarimihetsika mampataotra anisan’ny misongadina ankehitriny. Eo ihany koa ny teatra “La Jumelle maudites”. Ny kilalao Trimobe “Le Loup Garrou Malagasy” sy ny hetsika “Hallowen Ensanglante” sy “Murder Party”. Anisan’ny hampiavaka ity andiany fahatelo ity ny fidiran’ny tantara an’onjampeo. Hisy ny tafa iarahana amin’i Aloka Tefison sy Synèse Ranarison mandritra ny hetsika. Ao anatin’izany ny hifampizarana ny momba ny fanatontosana tantara an’onjampeo, indrindra ireny tantara mampataotra ireny.
Hatsaraina hatrany
Efa manomboka mivelatra amin’ny zavakanto hafa ny «Festival Thrillers» ankehitriny. Tamin’ireo andiany teo aloha, ny boky sy ny teatra ary ny tantara foronina ihany no hita nandritra ny hetsika. Ankehitriny kosa, efa ahitana horonantsarimihetsika sy ny momba ny tantara an’onjampeo izany. Hohatsaraina hatrany ny hetsika, araka ny nambaran’ ny tomponandraikitra, izay ho fanomezana sehatra ny zavakanto mampatahotra sy ho fampiroboroboana izany.
Lin