Taona 2025 : hanampy ny mpanao klasika ny Madagascar Mozarteum

Anarana tsy afaka miala eo amin’ny fampiroboroboana ny mozika klasika eto Mada­gasikara ny Madagascar Mo­zarteum izay mandia ny faha-14 taonany ankehitriny. Tafi­ditra ao anatin’ny tanjona tratrarin’izy ireo, ny hanome tosika ireo mpanakanto na tarika miangaly mozika klasika, ny taona 2025. Afaka mandefa ny momba azy sy ny fandaharam-potoanany, amin’io taona io, any amin’ny «madagascar.mozareteum@gmail.com» ny mpanakanto na tarika vonona ny hiaraka hiasa amin’ ity fikambanana ity. Alohan’ny 10 novambra 2024 amin’ny 12 ora atoandro no hanatanterahina izany.
Hanome sehatra ho an’ ireo izay ho voafantina amin’ izao tetikasa 2025 izao ny Madagascar Mozarteum. An­isan’ireny ny fandraisana anjara amin’ireo hetsika karakarainy, tahaka ny «Concert classique se midi», ny «Di­manche classique», ny «Soi­rée classique», sns. Marihina fa mila manatanteraka fampisehoana miisa 2 farafahakeliny ny mpanakanto na ny tarika hisitraka ity tetikasa ity, ny taona 2025. Hisy fihainoana mialoha ireo sanganasan’ny tarika izay mbola tsy nandray anjara tamin’ny hetsika nokarakara­in’ny Madagas­car Mozarteum.
Mandefa ny taratasy misy ny sorapeo na «partirions», telo volana mialoha ny seho, any amin’ny «Comité exécutif et artistique de Madagascar Mozarteum» ireo mpanakanto na tarika voafantina hisitraka ny fanampiana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: