TARATRY ny KANTO

Hivoaka rahampitso ny “Tantara taloha”,
hiran’i Rak Roots. Hira efa noforoniny tamin’ny taona 2017 izy ity, izay havoakan’ny tarika natsangany, ho fanomezam-boninahitra ity mpanakanto ity. Tokony hankalaza ny faha-32 taonany rahampitso mantsy i Rak Roots, ka rariny loatra raha hampifanojoana amin’ izay ny fivoahan’ity hira ity. Fanombohana ihany, fa hisy rakikira hanaraka izany, aoriana.

Hampiranty ny sanganasany mandritra ny «Biennale Dak’art 2024» i Tefy Khaita. Fampirantiana iraisam-pirenena hatao any Dakar Senegal izy ity, izay miditra amin’ny andiany faha-15, ny 9 novambra hatramin’ny 9 desambra ho avy izao. Fandraisana anjara voalohany amin’ny hetsika iraisam-pirenena ihany koa ity ho an’i Tefy Khaita.

Tsy mbola zava-dehibe ho an’ny Malagasy ny fahafantarana ny fototra momba azy. Malagasy maro no tsy mahalala akory ny tanindrazany na ny tany nipoiran’ ireo razambeny. Tsy mahalala ny hafatra (fomba, fady, …) navelan’ny razany. Tranga anisan’ny nampidi-kizo an’i Madagasikara, satria ny fototra no tsy mipetraka, hany ka ny an’ny hafa no sandohana.

Tanterahina anio hariva, eny amin’ny IFM Analakely, ny fampisehoana “I Mainti- Anala”. Zavakanto maroloko ahitana soradihy laroina mozika sy tononkalo, izay tontosain’i Frank Andrianjanahary izy ity. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny hetsika “Mode éthique et durable” izany. Hisongadina, araka izany, ny lamaody sy ny haingo.

Partager sur: