Tafaverina an-tanindrazana, omaly alina, ny filohan’ny Ceni sy ireo delegasionina notarihiny nijery ny fanontana ny biletà tokana sy ireo taratasim-pifidianana tany Afrika Atsimo. Nambarany, tamin’izany, fa mizotra araka ny tokony ho izy ny asa rehetra ary voahaja avokoa ireo tetiandro samihafa amin’ny hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna ny 11 desambra izao. Nanteriny koa fa manara-maso amin’ny antsipiriany ny fihetsiky ny kandidà ny Ceni amin’izao mialoha ny fampielezan-kevitra “Pré-campagne” izao. “Tokony hampahafantatra ny tenany sy ny antokony ary ny vinany fotsiny ihany izy ireo fa tsy hiteny ny hifidianana ny tenany na hanao propagandy”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsene.
Etsy andaniny, namaly ny fanakianan’ny mpanao politika sasany azy ny filohan’ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity. Nambarany fa tsy mitombina ny filazana ny Ceni ho mitanila manoloana ny fanatrehan’izy ireo ny fametrahana samboady ireo depiote. Notsindriny fa manana ny hasiny ny samboady ary lanonam-panjakana ireny. Ahitana ny sainam-pirenena sy ireo olom-panjakana ary koa ny depiote avy amin’ny mpanohitra sy ny mpomba ny fitondrana, araka ny nambarany. “Tsy anavahana izany ka aoka isika hipetraka amin’ny hitsiny sy ny marina ary haneho hevitra mari-pototra. Lasa fankahalana sy fizahozahoana ny resaka tsy mari-pototra tahaka izany”, hoy ihany izy.
Synèse R.