Fifidianana ben’ny Tanàna: nanentana ny vahoaka hifidy i Tojo Ravalomanana

Nanatanteraka fihaonana teny amin’ny Magro Beho­ri­rika, omaly, ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim). Niatrika izany Ravalo­manana Marc, filohan’ny antoko Tim, ny kandidà ho ben’ny Tanànan’Antananarivo, i Tojo Ravalomanana, sy ireo solombavambahoaka voafidy tamin’ ny anaran’izany antoko izany. Teo koa ireo vahoaka mpikambana eo anivon’ny antoko eto Antananarivo Renivohitra. Tao anatin’ny fihaonana no nitafan’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny antoko Tim tamin’ireo mpanara-dia azy ireo. Tanjona tao anatin’izany ny hametrahana paikady hiatrehina ny fifidianana izay ho avy.
Nitafa sy niezaka nifankafantatra tamin’ireo mpomba azy tonga teny amin’ny Magro Behoririka ny kandidà ho ben’ny Tanàna, i Tojo Ravalo­manana. Tao anatin’izany no nanentanany azy ireo handray anjara feno amin’ny fifidianana ho avy. Ankoatra ny fandatsaham-bato, nentanin’ity kandidà ity ihany koa ireo mpomba azy hanara-maso akaiky ny fanisana izany vato izany sy ny voka-pifidianana. Tanjona ao anatin’izany ny hahatonga ny fifidianana ho ara-dalàna sy eken’ny rehetra. “Fanarenana an’Antana­na­rivo” no tarigetran’ity kandidà ho ben’ny Tanàna ity. Ani­san’ny dingana voalohany amin’izany fanarenana an’An­ta­nanarivo izany ny fandraisana anjara mandritra ny zo­tram-pifidianana.

Lin

Partager sur: