Faneva Liantsoa : maniry ny hisian’ny kianja tsipy katenibe eny amin’ny Cité Itaosy

Ho fanampiana ny tanora sy ny ankizy misehatra eo amin’ny lalao tsipy katenibe eny amin’ny Cité Itaosy. Maniry ny hananganana ny kianja filalaovana izany eny an-toerana, i Faneva Liantsoa, tompondaka maneran-tany ny taona 2021 lasa teo.

Mandritra izao fankalazana ny faha-60 taonan’ny Cité Akany Sambatra izao. Manam-paniriana ny hisian’ny “boulodrome”, kianja filalaovana tsipy katenibe, eny an-toerana i Faneva Liantsoa. Nitondra avo ny anaram-pirenena izy satria tompondaka maneran-tany mahakasika ny fifaninana tsipy katenibe natao tany Espagne, ny taona 2021. Hetahateny ny hampitondrana ny anarany io kianja io, natao ho an’ny mponina rehetra eny an-toerana. Tanjona ny hahafahana manampy ny ankizy sy ny tanora tia sy milalao io taranja io mba hahafehezana izany. Asiana fampianarana mahakasika io taranja iray io mihitsy ao anatin’ny kianja rehefa tafantsangana. «Tany misy ary afaka mifampiraharaha amin’ny tompon’ny tany eny an-toerana hanorenana izany », hoy Ramanandray Tsiory Andriamampandry, dadan’i Faneva Liantsoa, sady SG eo anivon’ny federasion’ny boxe muay thaï. Amin’ izao fotoana izao, any Alle­magne, mandranto fianarana izy. “Maro ny tanora afaka manolo ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mahakasika io taranja io eny an-toerana ka anton’ny fangatahana nataony”, hoy hatrany ny dadany. Ilaina, araka izany, io taranja io mba hampianarana ny ankizy sy ny tanora mba hahafehy io taranja io. Efa misy tetikasa momba ny fananganana izany amin’ity fankalazana ity. Hanatona ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga izy ireo amin’ny fanatanterahana izany. Marihina fa efa nisy kianja roa natokana ho an’ny tsipy katenibe eny an-toerana fa tsy azo hilalaovana, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Mino

Partager sur: