Nitohy ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”, fankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B. Lalao anisan’ny niady ny fifandonana teo amin’ny Zoulou Papa sy ny AT2B, sokajy Vétérans lehilahy. Isa 41 no ho 39 no nivoahan’ny Zoulou Papa ho mpandresy.
Hanatanteraka fihaonana “Mini-Basket”, basikety ho an’ny ankizy, ny kaomision’ny Mini-basket eo anivon’ny federasiona, amin’ity volana oktobra sy novambra ity. Hetsika natokana ho an’ny sokajy U10 sy U12, lahy sy vavy, hatao any amin’ny ligin’Atsinanana.
Hotontosaina ny 16 novambra izao, ny fivoriambe eo anivon’ny ligin’Analamanga ny Volley-ball, ho an’ny taona 2024. Ny 30 novambra izao kosa no hosokafana ny taom-pikatrohana 2024-2025 ary hisy ny lalao natokana ho an’ny mpilalao tsy manana “licence”.
Mikarakara fifaninanana antsoina hoe “Inter Club Toussaint” ny ligin’Analamangan’ ny taranja Judo. Fifaninanana hotanterahina ny 26 oktobra izao, eny amin’ny Cercle Messe Soanierana, manomboka amin’ny 9 ora maraina. Sokajy Poussins, Minimes, Benjamins ary Cadets no hifaninanana amin’izany.