3FB Rugby Club: takin’ireo mpilalao tranainy ny hialan’ny mpanazatra

Tsy misy ny vokatra fa mitotongana foana ny ekipan’ny 3FB rugby amin’izao fotoana ka takin’ireo mpilalao tranainy na ny eto an-toerana na ny any ivelany, ny hialan’ny mpanazatra sy ny mpitantana ankehitriny.

Manoloana ny vokatra ratsy azon’ny 3FB ta­ranja rugby, nivoaka tamin’ny fahanginany ireo mpilalao tranainy. Nihaona tamin’ny mpanao gazety, tetsy Antananinarenina izy ireo, omaly, ka namaky ny vay maharary ity ekipa anisan’ny sangany eto Madagasikara ity. Nitarika izany, Rave­lonandro Clément, mipetraka any Frantsa, mandalo eto an-tanindrazana. Nanotrona azy, Ratsimbazafy Randrianasolo (Hercule), i Dany Be, i Bôna, i Bôdy, i Simon ary i Alain.

Tsy nitsitsy fitenenana mihitsy izy ireo. Nokianin’i Clément ny filoha amin’izao, Ramorasata Créscent, sady mitantana no miditra amin’ny resaka teknika. Notsiahiviny fa enim-bolana lasa izay no niantso ireo mpilalao tranainy ireo io filoha io, fa marary ny 3FB ka mila harenina. Vaky tanteraka ny ady ny talata lasa teo, nandritra ny fanazarantenan’ny ekipa tetsy amin’ny kianja HJRA. Notebahan’ny coach Tapa teo anatrehan’ireo mpilalao i Clement raha saika hanampy amin’ny fanomanana ny lalao atao amin’ny US Ankadifotsy ny alahady ho avy izao. Notsindrian’i Bôdy fa hatramin’ny nahatongavan’ny coach Tapa, tsy nisy vokatra intsony ny 3FB.

“Mampalahelo fa tsy misy fanajana ilay zokibe sady raiamandrenin’ny ekipa ny nataony. Ankoatra izay, novain’io coach io sy ny filoha, izay tsy mahalala akory ny tantaran’ny 3FB, ilay endrika naha 3FB ny 3FB, namoronan-dry Lalabe sy L’avant-bras azy”, hoy izy. Takin’ireo mpilalao tranainy ny hialan’ny filoha izay efa tapitra fe-potoana fiasana sy ny coach ka hamerina ny fitantanana amin’ireo mpilalao tranainy, hisian’ilay fanilo miampita. “Vonona hanampy ny 3FB ireo mpilalao mipetraka any am-pita raha miala izy ireo”, hoy i Clément, namarana ny teniny.

Torcelin

Partager sur: