Taorian’ireny vokatra azon’ny Barea de Madagascar nandritra ny andro fahatelo sy fahefatra, ny ady tapakilan’ny Can 2025, izay nihaonana tamin’i Gambie, natao tany Marôc ireny. Nihemotra faha-109 ny laharan’ny Malagasy, omaly, tao amin’ny filaharan’ny Fifa, raha toa ka faha-108 izy ireo teo aloha.
Raha tsiahivina ny fihaonana nataon’ny ekipa nasionaly malagasy farany teo, nisaraka ady sahala 1 no ho 1, tamin’i Gambie izy ireo, nandritra ny fifanandrinana mandroso. Resin’ny gambianina 1 no ho 0 tamin’ny fifandomana miverina. Ankoatra izay, sambany teo amin’ny tantara no voandingan’ny nosy rahavavy Comores, ny Barea. Lasa faha-108 ny kaomorianina.
Tsara ny mampahafantatra fa mbola mihazona ny lohany amin’ny baolina kitra maneran-tany ny Albi Celeste Argentine.
Fandresena ihany
Ny volana novambra ho avy io, hidona amin’i Tunisie sy i Comores ny ekipa nasionaly malagasy Barea. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny andro fahadimy sy fahenina ny handraisana anjara amin’ny Can Marôc 2025. Tsy maintsy mandresy ny Malagasy amin’ireo fihaonana roa ambiny ireto, raha tian’izy ireo ny hanao Can indray.
Ampatsiahivina ihany, fa tamin’ny taona 2019, ny Barea de Madagascar no nanao io fifanintsanana io voalohany.
Fitia Randria