Festival Jerijery: hetsika ara-kolontsaina any Vavatenina

Hatao ny 30 oktobra hatramin’ny 3 novambra ho avy izao, any Vavatenina, faritra Analanjirofo ny «Festival Jeri­jery». Nambaran’i Tovy Cari­nah, fa mampiavaka an’ity andiany faha-20 ity ny maha hetsika ara-kolontsaina Be­tsimisaraka azy, indrindra ny vakodrazana.
Mahatratra 1 tapitrisa Ar ny loka ho an’ny voalohany amin’ny fifaninanana. Hisy koa ny hetsika ara-panatanjahantena, ho an’ny tanora, ny olon-dehibe, sns. Eo koa ny fifaninanana «rasa volagna» mampiavaka ny any an-toerana, ny kilalao «bitiky kilangay» ho hampahafantarina ny tanora.
Nomarihiny koa fa hitondra fampandrosoana ara-toekarena ho an’i Vavatenina ny «Festival Jerijery», satria hitombo ny fifanakalozana ara-barotra. Nentaniny ny zanaka am-pielezana miparitaka manerana ny Nosy hanatrika ity fotoan-dehibe ity.

Mampalaza an’i Vava­tenina ny voly fanondrana (kafe, jirofo, lavanila,…) sy ny harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena sy ny vatosoa. Miisa 11 ny kaominina, ary i Vavatenina irery ny distrika tsy manana ranomasina any Analanjirofo.

Gix

Partager sur: