Embaña, fiteny avy any amin’ny foko Sihanaka any, izay midika hoe “elatra” raha avy ao afovoan-tany no nosafidian’i Nirihaja, Tiavina, Haingohaja, ary Kalo Fanomezana, izay samy mpikambana eo anivon’ny Faribolana Sandratra, ho lohatenin’ny seho izay hotanterahin’izy ireo ao amin’ny CGM/GZ Analakely, ny sabotsy 26 oktobra 2024 amin’ny 3ora tolakandro. Ao anatin’izany seho izany no anasany ireo mpankafy hiara-hisidina am-poezia amin’izy ireo ao anatin’ny fiombonana sy firaisana am-panahy tanteraka. Tsangan-kalo, sy antsan-tononkalo ary ombon-kalo no hatolotr’izy ireo ao anatin’izany “Embana” izany. Fotoana iray hanomezana fahafahampo ny mpankafy ihany koa izy ity satria, hitafatafa amin’ izy ireo mivantana ireto poeta ao anatin’ny seho ireto.
Tafiditra ao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha-35 taonan’ ny Faribolana Sandratra ity seho ity. Ny Faribolana Sandratra izay miezaka manome lanja sy sehatra ireo tanora miangaly ny haisoratra. Ankoatra ny torolalana sy fizarana traikefa sy fahaiza-manao amin’izy ireo, misy koa ny hetsika sahala amin’izao ho fampidirana azy ireo eo amin’ny sehatry ny matihanina kokoa.
Lin