Mr Sayda sy ny zandry Gasy, eny amin’ny Le Pavé Antaninarenina. Fiarahana hafakely ity hiseho anio, manomboka amin’ny 8 ora alina ity. Na samy tanora aza mantsy, tsy mitovy gadona sy karazana mozika ny tarika roa tonta. Afaka miaraka tsara mihitsy anefa, satria samy be mpankafy. Mbola hanampy azy ireo an-tsehatra i Beauzaka, izay hamelona indray ireo hiran’i Lefona.
Telo andro an-danonana etsy amin’ny Kianjan’i Kanto. Anio ny seho voalohany iarahana amin’i Rossy, manomboka amin’ny 9 ora alina. Hitohy rahampitso amin’ny 9 ora alina ihany izany, sy ny alahady amin’ny 3 ora tolakandro. Valin’ny fangatahan’ny mpankafy an’i Rossy eto Antananarivo ireo fotoana ireo, izay natao hifanojo amin’ny fahafahan’ny tsirairay.
Ny Tarika Jeneraly indray no hanafana ny sehatra ao amin’ny Piment Café Behoririka, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Tsy hiova amin’ny nahafantarana azy hatramin’izay, fa hiaina ireo hira nampalaza ny tarika hatramin’izay ireo mpankafy ho avy eny an-toerana, mandritra ny fotoana.
Melky sy Nate Tex no hitondra seho miavaka eny amin’ny La City Ivandry anio manomboka amin’ny 8 ora sy 30 minitra, alina, ao anatin’ny “Isika roa”. Ao anatin’izany fampisehoana izany no hifandimbiasan’ ireo mpanakanto samy manana ny maha izy azy ireto sehatra. Antenaina ihany koa ny hisian’ny fampiaraham-peo mandritra izany fampisehoana izany.