Optima Business : hisondrotra 20% ny faktioran-jiron’ny orinasa

Hampiakarina ny saran’ny herinaratra ho an’ny orinasa indostrialy. Fanapahan-kevitra efa nifanarahan’ny fanjakana sy ny Vondrona orinasa tany aloha ity hampiharina ity.

Nivoaka tao amin’ny fi­lan­kevitry ny minisitra, ny 23 oktobra teo, fa nankatoavina ny fanitsiana ny saran’ny herinaratra Jirama, ao anatin’ilay sokajy « Optima Business ». Voakasik’izany ny orinasa indostrialy mampiasa tanjaka ambony (haute tension HT) sy ny antenantenany (moyenne tension MT).
Voalaza fa tsy mifanaraka intsony ny saran’ny famoka­rana miohatra amin’ny fampiasana azy. Efa nisy ny fivoriana maromaro niarahan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny Jirama ary ny Vondrona mpandraharaha tsy miankina (ny Gem sy ny Sim), nitadiavana ny marimaritra niraisana amin’ny saran’ ny herinaratra. Koa, nan­katoa­vin’ny filankevitry ny minisitra, ny fifanarahana nifanekena, ka hisondrotra 20% ny saran’ ny herinaratra ho an’ny taona voalohany, ary ho 16% ho an’ ny taona faharoa sy fahatelo manaraka. Tsy voakasik’izany ny mpanjifa mampiasa tanjaka ambany (basse tension) rehetra, ny sokajy « business » sy ny « residentielle ».

Ny 0,31%-n’ny mpanjifa

Miisa 2 166 ny orinasa sy ny mpandraharaha mampiasa ny HT na MT. Izany hoe, ny 0,31% ny mpanjifan’ny Jirama manontolo izay miisa 696 705. Efa fantatry ny orinasa io fi­son­drotana io tany aloha io, taorian’ny fivoriana niarahana, fa izao vao hampiharina.

Misedra olana anefa ny ori­nasa amin’izao fotoana izao, satria tsy ampy ny herinaratra enti-mamokatra, noho ny deles­tazy. Miampy ny masonkarena, hampiasana gropy mpihary herinjiro, entina hanenjehana ny fe-potoan’ny mpanjifa, toy ny orinasa afakaba manondrana any ivelany, ohatra. Vao mainka koa hitombo izany amin’ity fisondrotan’ny faktioran-jiro ity.
Etsy ankilany, mihena koa ny fidiram-bolan’ny mpandraharaha madinika mampiasa herinaratra satria tsy ampy ny fotoana ahafahana enti-ma­mokatra. Voakasik’izany, ny mpikirakira vy, ny mpanao volo, ny toerana mikirakira internety, ny mpivarotra mampiasa vata fampangatsiahana, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: