Salon international de l’habitat : Omen-danja ny tontolo iainana

Miavaka ny « Salon internationale de l’habitat » andiany faha-26 atao eny amin’ny Forello Expos Tanjombato, nanomboka ny 24 ka hatramin’ny 27 oktobra. « Omen-danja manokana ny tontolo iainana sy ny fikarohana mifandray aminy », hoy ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gerard, omaly, nandritra ny fanokafana ny hetsika. Mivoatra, hoy izy, ny fanorenana na eo amin’ny taotrano na ny akora na ny angovo ampiasaina. Vahaolana manoloana ny fitomboan’ny mponina ny manorina trano mahaleo tena (maison autonome) hampihenana ny fandaniana sy hampiasana ny akora mitsinjo ny tontolo iainana. Ankoatra izay, manampy amin’ny fanorenana ny fampiasaina ny saina voatr’olombelona (intelligence artificielle). Horesa­hina manokana, mandritra ny hetsika, ireo akora fampiasa hiarovana ny tontolo iainana. Marihina fa hisy ny lohahevitra hovoaboasan’ireo mpisehatra sy matihanina avy eto an-toerana sy avy any ivelany mahakasika ny tontolon’ny fanorenana, mandritra ny efatr’andro hanaovana ny hetsika. Mampiranty sy mampahafantatra ny fahaiza-manao isan-karazany ihany koa ireo mpandray anjara manodidina ny 150.

Henintsoa H.

Partager sur: