Toy ny tamin’ny taona 2016, hotazana mialoha ny letisia any amin’ny faritra atsinanana ho an’ity taona ity. Vinavinaina ho eo anelanelan’ny 11 sy 14 novambra izany, hoy ny ivontoerana teknika mpanara-maso ny famokarana ao Toamasina (CTHT). Hihena ihany koa ny vokatra noho ny habetsaky ny orana hatramin’ny niandohan’ny volana oktobra, izay niantoka ny famokarana sy nampihena ny hafanan’ny rivotra. Nasongadin’ny CTHT fa voakasik’ity tranga ity ireo toerana mpamokatra ao amin’ ny faritra atsinanana fa indrindra ao amin’ny faritra avaratra. Hiantraika mivantana amin’ny fanondranana izay novinavinaina ho 18 000 taonina ny zava-misy. « Ahina hampiakatra ny vidin’ny letisia eny an-tsena ny fihenan’ny vokatra satria hifandrombahana ny letisia », hoy ireo mpamokatra.
Voamarin’ireo mpikaroka tao anatin’ny fanadihadiana nataony ny 14 oktobra fa mitotaly 1 667 ireo fototra letisia ka ao Brickaville ny 690 raha ao Toamasina kosa ny 649 ary any Fenoarivo atsinanana ny 328 amin’izany. Mbola maitso avokoa ny 100% ny voankazo ary eo anelanelan’ny 12 ka hatramin’ny 25mm eo ny hangezany tamin’ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana raha teo amin’ny 8-18mm izany tamin’ny taon-dasa.
Mbola hisy ny fanadihadiana hataon’ny eo anivon’ny CTHT ny faran’ny volana izao handrosoany tolo-kevitra indray mahakasika ny vokatra letisia.
Henintsoa Hani