Fiatrehana ny loza : miara-miasa ny CUA sy ny BNGRC

Nanatanteraka fanazaran-tena niaraka ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny BNGRC, omaly, tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Ana­lakely sy teny amin’ireo fo­kontany valo anivon’ny Bori­borintany voalohany sy faha-4.
Fampiharana ny fanazaran-tena amin’ny fiatrehana ny loza ho an’ireo mpisehatra rehetra isan-tsokajiny na SIMEX « SIMulation EXerci­ce » no natao tamin’izany, hoy Andrianatoandro Sitraka Todisoa Fy, tompon’andraikitry ny CUA eny Anosipatra.
Voakasiky ny hetsika ny ekipan’ny CUA, sampana mpa­monjy voina, ELS Equipe Locale de Secours, BNGRC… izay mirotsaka eny an-kianja mivantana rehefa misy vonjy voina atao.
Tanjona ny mba ho fampahafantarana ny andraikitra tokony horaisina sy izay tandrify ny tsirairay mba tsy ho tampoka ho azy ireo izany rehefa tonga ny loza.
Raha ho an’ny Tanà­nan’ An­tananarivo Renivohitra manokana, ny tondra-drano sy ny fihotsahan’ny tany no tena mateti-pitranga sy tena atahorana rehefa tonga ny vanim-potoanan’ny fahabetsahan’ny orana toy izao. Ny firehetan’ny trano kosa no miseho rehefa maintany.
Nisy ny fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo Re­nivohitra, ny BNGRC, ny Croix Rouge Malagasy, ny Unicef, ny Pam… nahafahana nanatanteraka ny fanazaran-tena mialoha hahafahana miatrika ny loza. Izay tsara fiomanana, tsy ho tampohin’ny loza.

Tatiana A

Partager sur: