Mihazakazaka ny fitadiavana fiaraha-miasa amin’ny firenena ivelany, ankehitriny. Tsy mandry andro, tsy mandry alina ny filohan’ny Repoblika amin’ny fikarohana lalam-bola. Tsy mifidy mpiara-miombon’antoka intsony fa izay vonona ny hitondra ny anjara birikiny dia « tonga soa ». Tsy mihanona amin’ny mpamatsy vola mahazatra sy ny tandrefana intsony i Madagasikara fa manatona ny aziatika na ry zareo tatsinanana.
Maro ny firenena tsy nahazatra no tonga manolo-tanana. Betsaka ny orinasa matanjaka sy ny sehatra tsy miankina no tonga mandondom-baravarana. Vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana an’ilay Madagasikara. Marina fa takalom-patsa vidim-pihinanana io, fa efa zava-dehibe ny ezaka. Izay tsy milalao ihany no tsy mahazo, izay tsy sahy maty ihany no tsy mifono lambamena.
Iaraha-mahalala fa mihidy sy mikatso ny loharanom-bola mahazatra an’i Madagasikara, amin’izao fotoana. Miroso amin’ny politikan’ny fitsitsiana i Madagasikara. Miezaka ny manangona ny hery ahafahana miaritra ny « maitso ahitra » amin’ny fidiran’ny vola avy any ivelany. Na izany aza, tsy maintsy miroso ny zava-drehetra. Mila mandeha ny raharaham-panjakana ka efa samy ao anatiny izay avokoa ny hery velona rehetra sy ny mpiantsehatra.
Firenena tsy tokony hanana olana amin’ny fihariana i Madagasikara, amin’ny ankapobeny. Betsaka ny herijika azo trandrahina mba hananana fizakan-tena. Ny fahaiza-mitantana sy ny finiavana no tsy ampy. Misy ihany koa ny mpanao ampihimamba, tsy mikatsaka ny tombontsoan’ny besinimaro. Manginy fotsiny ny tarazo sy ny trosa miavosa tsy mety voaloa.
Tsy tokony hadino anefa fa tsy misy fampandrosoana azo atao anaty fangejan’ny volan’ny firenen-kafa izany. Tsy misy gadra mahavita hiambo ho mahavita tena izany raha tsy afaka!
r.r