Hetsika ara-kolontsaina miharo fanabeazana ny “Festi-Sôva”. Hiara-dalana ny zavakanto sy ny fanentanana isan-karazany amin’ity andiany faha-7 ity. Hivelatra kokoa noho ny teo aloha ny hetsika.
Hazo Midoroboka avy eny Ampamarinana, Gasy Misôva Behoririka, Tara-pahazavana Andraisoro, Fanja Anjanahary Misôva, Black Collection Andranomanalina, Fitarikandro Tsiadana, Kintan’ny Alina Antohomadinika, sns. Tarika mivoy ny vakisôva eto Antananarivo ireo, izay efa manana ny lazany. Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny Kudeta, Carlton Anosy, fa anisan’ireo handray anjara amin’
ny hetsika “Festi-Sôva” andiany faha-7 ireo mpisôva ireo. Ny fikambanana Tanora mbola ho beazina (Tambohobe) sy ny fikambanana Iarahan’ny rehetra misitraka (First) no miara-misalahy amin’ny fikarakarana ny hetsika.
Hizara amina fotoana telo ny hetsika amin’ity taona ity, ka hatao anio, eny amin’ny Kianja basket Ambodinisotry ny voalohany, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Ankoatra ny fampisehoana ny vakisôva, hisy ihany koa ny fanentanana hataon’ireo mpikatroka kick boxing, mandritra izany. Amin’ny 16 novambra kosa ny fotoan-dehibe faharoa, ao an-tokotanin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina izany, mandra-paharivan’ny andro. Ankoatra an’ireo mpisôva, ho avy hanafana ny fotoana koa ny Sekoltora, ny Gasy Tafaray izay fikambanan’ireo rasta, ny Faribolana Sandratra ary ireo mpanao tantara fihaino. Iandraikitra ny fanentanana kosa i Slam Jah, 18,3. Mialoha izay anefa dia hisy ny alim-pikoranana izay hatao eny amin’ny akany Nambinintsoa, ny sabotsy 2 novambra, iarahana amin’ny tarika Kiaka, Vilon’Androy ary ny Sôvan’Analamanga.
« Ady amin’ny herisetra sy ny fidorohana amin’ny zava-mahadomelina ». Izay ny lohahevitra voizina mandritra ny “Festi-Sôva” andiany faha-7. “Kolontsaina mila hasandratra ny sôva, ka adidinay fikambanana no manasongadina izany. Rehefa fotoan-dehibe eny anivon’ny fiarahamonina dia tokony tsy hisaraka amin’
ny sôva hatrany. Izahay koa mirona amin’ny fanabeazana ireo zandry sy zanaka, indrindra amin’ity zava-mahadomelina ity”, hoy Randrianarivelo Hasina, filohan’ny fikambanana Tambohobe.
Zo ny Aina