Faha-95 taonan’ny Tropy Jeannette: hira teatraly ranoiray no haseho an-tsehatra

“…Io ny tarik’Andriatinarivo”. Ampahan’ny tonon’ilay hira nampahafantarana ny Tropy Jeannette io. Io no nosafidiana hanamarihina ny faha-95 taonan’ity tropy teatraly zokiny indrindra eto Madagasikara ity. Fampisehoana hira teatraly ranofotsiny mantsy no hanamarihina izany, rahampitso alahady 27 oktobra, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, eny amin’ny Alliance Française Andavamamba.
Hira izay notsongaina tao anatin’ireo piesy filalaon’ny Tropy Jeannette hatramin’izay no alahatry ny mpikambana amin’izao fotoana, mandritra io seho io. Santionany ny “Bako­bako rrrroa” anatin’ny tantara “Ny voromailala”. Tanjona amin’izany ny fampahafantarana sy fampitana ireo hira teatraly amin’ny tanora aty aoriana, indrindra ireo noforonin’ Andrianary Ratianarivo, izay nitarika ny Tropy Jeannette andi­any voalohany. Ao anatin’izany ny famoahana ny hira araka ny aingam-panahin’ny mpanoratra sy ny mpamoron-kira, izany hoe, ny tena tononkira sy ny feony marina, ary ny fomba fihirana azy, toy ny any anaty teatra.

Zo ny Aina

Partager sur: