Sinema malagasy ; Feno ny «Disco Afrika: une histoire malgache »

Tontosa omaly, teny amin’ ny Cinepax Ambodivona, ny tafa sy velakevitra fampahafantarana ny horonantsarimihetsika « Disco Afrika: une histoire malgache ». Niatrika izany ny mpanatontosa sy mpamokatra ity horonantsary ity, notronin’ireo mpahay horonantsary sy mpanao gazety. Tanjona ao anatin’izany ny fampahafantarana ity « Disco Afrika: une histoire malgache” ity indrindra amin’izao fahatongavany eto Madagasi­kara izao. Hisy ny fandefasana azy ity amin’ireo efitrano fi­jerena horonantsary eto amin­tsika. Hahazo tombony manokana amin’izany Antananarivo sy Toamasina.
Horonantsary sy zavakanto feno tanteraka izy ity. Sady manabe no mampahafantatra, ankoatra ny maha fialamboly azy. I Luck Razanajaona no nanatontosa azy, niaraka ta­min’ny fiaraha-miasa tamina mpahay horonantsary maro samihafa. Anisan’izany i Ludovic Randriamanatsoa, i Herizo Rabary ary ireo vahiny maro samihafa. Anisan’ny mampiavaka azy ity ny fahaizany maneho anatina zavakanto ny zava-misy eto Mada­ga­sikara, indrindra ny iainan’ny tanora. Mitondra lesona sy fampahatongavan-tsaina ho an’ny rehetra. Asongadina ao anatin’ny horonantsary ihany koa ny foto-kevitra “Panafri­cain” izay mikendry ny fanandratana an’i Afrika.
Hetsika sy fifaninanana maro manerana izao tontolo izao no efa nandraisan’ny « Disco Afrika: une histoire malgache » anjara. Maro ihany koa ny amboara efa azony tao anatin’izany. Aorian’izao fandalovany eto Madagasikara izao, hitohy any Afrika Andrefana ny dian’ity horonantsary manana ny maha izy azy ity.

Lin

Partager sur: