TARATRY ny KANTO

Tanterahina anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny La Colline- Maison sociales des arts Ambatovinaky, ny hetsika « Philosophie de l’art contemporaine ». Velakevitra iarahana amin’ny Dr Razafimandimby Ghislain Antonio, izy ity. Ao anatin’izany no hiresahana ny maha izy ny zavakanto ankehitriny, indrindra manoloana ny fanatontoloana.
Eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka no hanatanterahana ny “Red Island Bike Fest” andiany fahefatra, ao anatin’ny “Week end Rock and Roll”. Mandritra izany no ahitana fampirantiana ireo kodiaran-droa mampiavaka ny mpanao Rock, indrindra ny metaly. Eo ihany koa ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika mpiangaly izany gadona izany.
Manomboka anio, eny amin’ny AFT Anda­vamamba, ny “Festival Thrillers” andiany fahatelo. He­tsi­ka hanasongadinana ireo zavakanto malagasy mampatahotra. Ao anatin’izany *no ahitana sarimihetsika, teatra, kilalao, boky, tantara an-tsary, izay samy novokarina Malagasy avokoa. Tafa iarahana amina mpilalao tantara mampatahotra an’onjampeo no hanokafana ny hetsika.
Nisokatra omaly, teny amin’ny Craam Ankatso, ny fampirantiana “Tsirika” notontosain’i Hagani Sainana. Rantin-tsary hanehoana sary pika, sokajy varatava, maneho ny endrik’olona maro isan-tsokajiny manoloana ny sedram-piainana ankehitriny, izy ity. Hetsika ahafahana mampifandray ny harena ara-javakanto sy ny hatsaran-tarehy ihany koa.

Partager sur: