Jiu-jitsu-« World Championship » : 16 mianadahy hisolo tena ny Malagasy

Voafantina tamin’ity herinandro ity ireo Malagasy mpikatroka ny taranja Jiu-jitsu Breziliana, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Abu Dhabi, ny 6 hatramin’ny 16 novambra ho avy izao. Araka ny vaovao nampitain’ny Federasiona mala­gasin’ny JJB, 24 miandahy izy ireo no niatrika fampivondronana ary 15 amin’izy ireo no voafantina. Efa vonona ny hianto-tena ny folo amin’izy ireo, izay efa fantatra talohan’ ny fampivondronana izany, ka ny mpikatroka 6 mianadahy no niantsorohan’ny federasiona sy ny mpanohana ny fiantohana ny hoenti-manana rehetra.
Tsiahivina, niatrika ny fampivondronana voalohany izy 24 mianadahy ny 2 oktobra lasa teo ary nisy ny sivana natao ka 15 mianadahy no hihazo an’i Abu Dhabi hiatrika ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity. Tamin’ny alalan’ny fifaninanana natao teto an-toerana no nitsongana ireo atleta niatrika fampivondronana, raha ny fanazavana. Tsy mbola fantatra ny andro hiangan’ny delegasiona malagasy ary mbola manao antso amin’ireo malala-tanana ny federasiona sy ireo mpikatroka mba hahafahana manamora ny fiantohana ny hoenti-manana rehetra ilain’izy ireo.

Mi.Raz

Ireo solotena malagasy ho any Abu Dhabi

Rasamy Anoharana Andy Vola Manjaka (Checkmat), Randriamanga Zo Aina Tsilavina (Guerreros), Rakoto­maria Tsinjofiniavana (One Tribe), Rakotondralam­bo Fifaliana Andrianjaka (One Tribe) Rakotobe Chuk Hen Shun Nofy Mica (Checkmat), Rafidinomena Toavin-Tafita (Guerreros).

Mianto-tena
Willy (Checkmat), Chafik (Checkmat), Nomasy (Che­ck­­mat), Aiky (Checkmat), Tsiresy (Checkmat), Adria­no (Guerreros), Christian (Guerreros), Tsivery (Guer­reros), Mikaia (Southside), Andry (Guerreros Team).

Partager sur: