Navoaka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny fanolorana mari-pahaizana “Brevet militaire professionnel élémentaire” BMPE infanterie taona 2022 ireo miaramila an-daharana, omaly, teny amin’ny cercle messe Fiadanana. Lanonana teo ambany fitarihan’ny Sous chef d’Etat major chargé de la chaîne opérationnelle eo anivon’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Andriamasimanana William Michel. Taorian’ny fiofanana sivy volana nataon’izy ireo tany Langaina, hikatroka amin’ny asa eo anivon’ny antoko tafika telo izy ireo : Tafika an-tanety, ana habakabaka ary ny Tafika an-dranomasina.
Nananatra azy ireo ity manamboninahitra jeneraly ity mba ho mendrika amin’ny fitondran-tena sy ny asa hatao mba hampitombo mandrakariva ny fahaizana sy traikefa hiatrehana ny andraikitra miandry.
Jean Claude