Fiara nivadika : nalefa hopitaly avokoa ireo naratra

Nalefa nihazo ny hopitaly ao Fianarantsoa ny roa tamin’ireo olona efatra tra-doza omaly tamin’ilay fia­ran’ny Fondation médicale Ampasimanjeva, afakomaly. Ny iray tamin’ireo masera voa mafy tsy nahatsiaro tena kosa nalefa nihazo ny renivohitra raha nijanona nanohy ny fitsaboany ao Mana­ka­ra kosa ny iray hafa.

Tsihivina fa tra-doza teo amin’ny 10 km tsy hidirana an’i Manakara ny fiara tsy mataho-dalana nitondra ireo olona miisa sivy tao anatiny rehefa avy namonjy fotoam-pivavahana tao Vohipeno. Tsy tafiodina teo amin’ny kihon-dalana ilay 4×4 ka nivarina ankady ary nidona mafy tamina hazo kininina. Vokany, maty teo no ho eo ny dimy tamin’ireo mpandeha. Isan’izany ireo dokotera mivady miasa ao amin’io “fondation médicale Ampa­si­manjeva” io, ny masera roa niaraka taminy ary ny pretra iray namily ny fiara. Fantatra fa nandrasana tao amin’ny paroasy Tanambao ieo vata-mangatsiaka rehetra taorian’ny loza.

Henintsoa H.

Partager sur: