Ny vola, hono, no fototry ny ratsy rehetra. Na ny fitiavana azy na ny tsy fananana azy… Ny fitadiavana, mahazaka maniraka. Tsy inona fa fahantrana no antony sy fotony. Saika izay fahantrana izay no manosika sy manesika amin’izao karazana asa ratsy tsy ampoizina rehetra izao? Vitan’ny sasany amin’izao izay tsy noheverina akory hatramin’izay. Hatramin’ny hoe fakana olona an-keriny na mpiray tanàna na fianakaviana ihany, ohatra, fanapohana solika amin’ny zavatra hafa, famonoana olona manana toe-tena varira… Tsy hita hovisavisaina sy hotanisaina hatramin’izay tsy takatry ny saina. Tsy kely lalana ny ratsy? Na ny fahantrana koa no fototry ny ratsy rehetra…
Fiteny ny hoe tsy misy fampandrosoana raha tsy misy fandriampahalemana. Tsy misy koa fandriampahalemana raha tsy misy fampandrosoana. Voalohany sy lehibe ary maika ny ady amin’ny fahantrana. Hatramin’ny fahantran-tsaina, fahantrana amin’ny fomba fiaina… Eo koa ny hoe fanomezana fintana ho an’izay mitady trondro. Ilaina ny fanampiana, fa tokony ho fanampiana hialana amin’ny fanampiana any aoriana: tsy mahasoa sy tsy mampivoatra ny fanampiana mandavantaona na fitantanan-dava. Tsy ho vita koa izany. Ny asa ihany no mahavelona, mampandroso, mitondra ho amin’ny fahavitan-tena… Mby aiza? Samy mandini-tena ny tsirairay.
Mila atao vaindohan-draharaha ny famoronana asa, ny fampitomboana asa, ny fanatsarana ny asa… Tsy karazana fahantran-tsaina ve, ohatra, ny fampihenana ny fandaniana avy hatrany raha vao mandia fahasahiranana, fa tsy fampitomboana ny vola ampidirana amin’ny fitadiavana sy fampitomboana asa? Eo indrindra izao… Fanamarinan-tenan’ny malain-kisahirana ny hoe tanimena tsy mirehitra? Tsy misy asa ratsy, fa misy asa ratsy noho ny fahantrana.
R. Nd.