Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny Iavoloha, ny andro farany fiadiana ny ho tompondakan’ny “Grand Tournoi Antananarivo (GTA)”. Nihintsana teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ny ekipan’ny Disciples Fc Vakinankaratra, tompondaka faran’ny GTA. Resin’ny CFFA Andoharanofotsy, tamin’ny isa 3 no ho 1, izy ireo.
Raha tsiahivina, lavon’ny mpilalaon’Andoharanofotsy, 2 no ho 0, ny ekipan’i Vakinankaratra teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Ankoatra ny CFFA, tafita any amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana ihany koa ny As Avenir Ste Anne, ny As Ste Anne Espoir, ny Disicples Espoir, ny As Fanalamanga, ny Ajesaia sy ny Fc Valence ary ny Cosfa.
Nambaran’ny filoha mpikarakara ny fifanintsanana, Rakotoarimanana Henintsoa, na ny Maire Tôta, teny an-toerana fa hatao anio, eny Andoharanofotsy ihany ny antsapaka hahafatarana izay hifandona eo amin’ny ampahefa-dalana, izay hotontosaina eny amin’ny kianja Elgeco Plus By-pass, ny alakamisy ho avy izao, raha tsy misy ny fiovana.
Tsara marihina fa hotolorana lelavola 20 tapitrisa Ariary izay voalohany amin’ity.
Fitia Randria