Handball – “Mada sénior 2024”: voahosotra ho tompondaka ny THBC

Norombahin’ny THBC, vehivavy, ny anarana maha tompondakan’i Madagasikara 2024, taranja handball, sokajy Sénior. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI) izy ireo, amin’ity taona ity ihany.

Tontosa omaly, tetsy amin’ ny Kianja mitafo An­ko­rondrano, ny famaranana ny fifaninanam-pirenena, ta­ranja handball, sokajy Sénior, lehilahy. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2024, ny THBC, vehivavy, ekipan’Ana­lamanga.
Resin’ny THBC tamin’ny isa 26 no ho 15 ny My-Sah Itasy. Ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta. Na izany aza, mbola nisongadina ny fahaiza-manaon’ireo mpilalaon’ny ekipan’ny kaominina Anta­nana­rivo Renivohitra, notarihin-dry Aina sy i Lea, nampian’i Kasy. Nanantombo teo amin’ny tanjaka izy ireo izay nanafaingana ny fanafihana.
Vao teo amin’ny minitra faha-10 dia efa nanomboka nihataka tsikelikely tamin’ny isa ny THBC. Niezaka nametraka ny fomba filalaony amin’ny alalan’ny famezivezena ny baolina niampy tifi-davitra ihany ry Nicole sy i Natacha, fa tsara fiarovan-tena ny ekipan’Analamanga. Nitarika tamin’ny isa 13 no ho 9 ny THBC teo am-pialantsasatra.
Fizaram-potoana faharoa, nanao izay ho afany ny ekipan’Itasy. Nanova paikady rahateo ny mpanazatrany ka nanao fiarovan-tena ambony. Hain’ny THBC anefa ny niala tamin’izany taktika izany. Anisan’ny nahazoan’ny ekipan’Analaman­ga tombony ny baolina tsy matin’ny My-Sah ka mivadika ho isa ho an’Analamanga. Tsy mbola afa-bela tamin’ny THBC indray izany ny My-Sah, tamin’ity.
Hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI 2024), hatao eto Madagasikara, ny volana novambra ho avy izao izany ny THBC. Iny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy Sénior iny no namarana ny fandaharam-potoan’ny Federasiona malagasin’ny handball

Tompondaka

Partager sur: