Nisokatra omaly, any Fianarantsoa, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley, sokajy latsaky ny 23 taona, lahy sy vavy. Fivoriana ara-teknika notarihin’ny tale teknika nasionaly niaraka tamin’ireo ekipa mandray anjara no notontosaina ny sabotsy 26 oktobra lasa teo. Nanomboka avy hatrany kosa ny lalao ho an’ny andro voalohany. Lalao 6 no notontosaina nandritra izany, izay nahitana lalao 3 ho an’ny sokajy vehivavy ary lalao 3 ho an’ny sokajy lehilahy. Nisongadina aloha ny ekipan’Analamanga, teo amin’ny sokajy vehivavy, raha ny voka-dalao. Nisantatra ny fifaninanana ny ekipan’ny CCVB Analamanga sy ny VBLC Matsiatra Ambony. Seta 3 no ho 0 (25/10, 25/16, 25/15) no nivoahan’ny CCVB ho mpandresy. Nahazo ny fandresena nanoloana ny EVBI Ihorombe, tamin’ ny seta 3 no ho 0 (25/10, 25/22, 25/19), ny Bi’As Analamanga, lalao faharoa teo amin’ny vehivavy. Nifanandrina, taorian’izay, ny Squad X Analamanga sy ny Agir VB Matsiatra Ambony, ka nandresy tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/12, 25/18, 25/11) ny Squad X. Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, nisantatra ny fifaninanana ny ASI Analamanga sy ny MVBC Matsiatra Ambony, ka azon’ny ASI ny fandresena, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/17, 25/22, 25/23).
Mi.Raz