Anatin’ny fanatsarana ny lafiny teknika ny taranja Escrime, amin’izao fotoana izao. Manam-pahaizana iraisam-pirenena, i Baytir Sidy Diop, izay tonga eto Madagasikara, mizara traikefa mandritra ny valo andro. Araka izany, atleta sy mpanazatra ary mpitsara ny taranja Escrime, 12 isaky ny ligy no maka traikefa amin’i Baytir Sidy Diop. Raha ny fandaharam-potoana, nisy ny fampivondronana ireo atleta voafantina eto Analamanga ny fiandohan’iny herinandro iny. Nihazo ny ligin’Itasy indray taorian’izay, ny manam-pahaizana sy ny Federasiona malagasin’ny taranja Escrime, nanome fiofanana ireo mpanazatra, tany Miarinarivo, ka nomena sehatra ireo tanora sambany vao hampianatra Escrime. Taorian’izay, nitohy tany Antsirabe indray ny fifampizarana ka nisitraka izany ireo mpitsara, nandritra ny roa andro. Hitohy eto Analamanga ny fiofanana, anio sy rahampitso, araka ny fandaharam-potoana hatrany, ka hisy ny fampivondronana ny atleta, ny mpanazatra ary ny mpitsara avy any Atsinanan’ny Nosy. Manana fikasana hanangana ligy any Atsinanana ny Federasiona malagasin’ ny Escrime ka izany no anton’izao fampivondronana izao, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Escrime, Ramanandraivonona Einjara Luc.
Mi.Raz