Sady mamitana no mamitaka!

Efa mahoraka ery ny tanàna amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Mipoipoitra mampahafantatra ny kandidany ny antoko, fikambanana, na vondron’olona tsotra. Efa samy miketriketrika ny hampandaniana izay ho “ngahy mera” avokoa ny rehetra. Izay manan-katao moa efa manetsika rezimanta. Izay somary marisarisa, misafidy ny manao ron-gisa: misiko-miadana fa mampijafajafa ihany koa.
Samy manana ny paikadiny ny ekipa tsirairay. Samy mamolavola ny drafitra ho enti-mambabo ny mpifidy. Misy ny mandroboka amin’ny hanin-kely indray mandrotsaka. Misy ny mamoky fampiesonana sy resabe: efa manomboka ny kobaka am-bava. Ny hafa indray mampandrevy amin’ny nofinofy, hanadinoina ny adim-piainana mandalo. Samy mahita ny hamintanana sy hamitahana ny mpandatsa-bato e!
Tena tsy misy mamiratra mihitsy aloha hatreto ny andavanandron-dRamalagasy. Manao izay danin’ny kibony ny mpanao politika. Ny ao anatiny manenjan-tsalaka, ny aty ivelany mampatory am-pitsanganana. Hany ka tsy mahagaga raha latsaka ambany dia ambany ny tahan’ny mpandatsa-bato. Heverin’ny olona ho fandanian’andro sisa ny mandeha mifidy. Hany ka mandeha ila ilay fifidianana, mandresy avy hatrany na izay tsy voatery ho mamim-bahoaka aza.
Na eo aza ny mpamitana, na maro ny mpamitaka, tsy tokony ho hadinon’ny vahoaka Malagasy fa ny fanaovana rodobe mifidy no hany lalan-tokana mahomby ahafahana manafay ny mpano politika. Io no paikady azo antoka mba tsy hanenjehan’ny hery famoretana, raha mba maneho hevitra. Tsy tokony ho baikon’ny hakamoana na ny fahakiviana, mila mijoro dia mandatsa-bato.
Tsy misy mahita rahateo ny ao anaty trano fisainana. Malalaka ny fanehoan-kevitra. Any no mba mamaly faty maivamaivana izay mpanabado sy mpambabo ny valala tsy mandady harona.

r.r

Partager sur: