TARATRY ny KANTO

Na sabotsy, na andro alahady, ireo ihany no manavanana sy mahazatra ny mpanakanto manatanteraka seho eny an-tsehatra. Manaraka ho azy ny mpijery. Tsy voatery ho ireo, anefa, raha ny hita any ivelany. Ao ny manatanteraka izany andavanandro, saingy, amin’ny alina na amin’ny atoandro mitatao vovonana. Tsy voatery hanaraka izany akory ny eto Madagasika­ra. Na izany aza, mety misy azo andramana ihany!
Kakakaka Kaïamba, hiverina an-tsehatra eny amin’ny Le By Pass after Work, eny Imerimanjaka. Ny alakamisy izao, manomboka amin’ny 7 ora ity seho iara­hana amin-dry Gothlieb, Francis Turbo, Eric ary i Honorat Fou Hehy ity. Elaela no tsy namerina ireo hira kaïamba amin’ny fanaovany azy ireto mpanao hatsikana ireto.
Holalaovin’ny mpianatra tranainin’ny Lycée Jules Ferry an-tsehatra ny teatra “La Jumelle maudite”, ao anatin’ny hetsika “Festival Thrillers”, andiany fahatelo. Anio tolakandro, eny amin’ny AFT Andava­mam­ba, no hanatanterahina izany hetsika izany. Ha­hazo tombony indray, araka izany, ireo mpankafy tantara mampatahotra ao anatin’ity seho ity.
Tanterahina eny amin’ny IFM Analakely, ny 2 novambra 2024, ny fifantenana izay hisolo ten any Mada­gaslam Section Tana (MST) amin’ny fifaninanana nasionaly “Slam national 15”. Tsiahivina fa ny 28 novambra ha­tramin’ny 7 desambra 2024, ao Antsirabe sy eto Antana­na­rivo, no hanaovana izany “Slam national 15” izany.

Partager sur: