Trangam-piarahamonina nanaitra, omaly, ny nitifiran’ ny zandary mpiana-draharaha ny lehibeny. Tongo-bakivaky, sady maharary ilay izy no mahamenatra. Na inona na inona antony, ilay hasin’ny zandarimariam-pirenena no voahosihosy. Aiza no tsy hisy mpiara-miasa tsy hanana disadisa? Aiza no hisy lehibe tsy hibedy ny ambany fahefany? Tsy tranga maningana io fa ilana fitandremana
goavana.
Anisan’ny sehatra iray, voalazan’ny Bianco, fa isehoan’ny kolikoly betsaka indrindra ny mpitandro filaminana. Inona no anton’izany? Fa io aloha no anisan’ny voka-dratsiny. Tsy ampy na zara fa vita ny famotorana ara-moraly ny olona ampidirina ho zandary. Olona tsy manana ny toe-po sy fomba fiaina ho miaramila, fa zatovo tsy mahita asa no tafiditra. Ny mahamenatra aza, misy zandary zara raha mahay manoratra sy mamaky teny amin’ izao fotoana izao.
Tsy vitan’izay, betsaka amin’ny manamboninahitra mampiofana any amin’ny sekoly no velon-taraina. Tsy manaraka toromarika sy tsy azo bedesina izany hono ny mpianatra (?). Ataontsika honohono aloha fa famakafakana no atao. Fa ahoana tokoa izany? Betsaka amin’ny mpianatra no voalaza fa mahalala be kintana ka arovan’ izy ireny. Raha misy ny fananarana na fibedesana, mihazakazaka mitati-bolana ny mpianatra. Ny mpampianatra indray no bedy sy tratry ny tsindribokotra.
Tsy mahagaga ny zava-misy raha miditra biraon’ny zandary: mpiloka karatra, vehivavy milalao hoho, tongotra eny ambony latabatra no mitsena. Raha miarahaba dia zara raha misy mamaly. Ny valiboraingina sy ny andraso andraso izany dia efa mahazatra raha mamonjy toby. Mahakivy! Hany ka na izy samy izy aza efa tsy mifanaja intsony.
Resa-be sisa ny fitsipi-pifehezana sy ny fanajana lehibe. Ilay fototry ny fampiofanana mihitsy no maty hasina, mila ovana!
Randria