AFT Andavamamba : haseho an-tsehatra ny « Lakile roa »

Tanterahiny ny 3 novambra 2024, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny fampisehoana an-tsehatra ny tantara « Lakile roa ». Ny Tropy Anta­nanarivo Teatra no hiangaly izany. Tantara miresaka mahakasika ny adina kandidà roa lahy nandritra ny zotram-pifidianana ben’ny Tanàna izy ity. Randrianavony Arsène no nanoratra ny tantara.
Adin-dRadona sy Ratsimba, samy kandidà ho ben’ny Tanàna ao Marofototra no resahin’ny tantara. Radona no lany tamin’izany fifidianana izany ka velona teo ny adin’izy mirahalahy. Mifankatia ary mpisakaiza anefa ny zanak’izy mirahalahy ireto. Samy very hevitra ny hampisarahana ireto zanany izy roa lahy. Sedra sy dingam-piainana maro no nandalo fa tsy nahavita nampitambatra azy roa lahy afa-tsy ilay trangam-piainana nisehoan’ilay lakile roa.
Izany no hoentin’ny Tropy Antananarivo teatra hanomezana fahafaham-po ny mpankafy azy ireo. Ankoatra izay, horavahina kalon’ny fahiny ihany koa ity seho ity.

Lin

Partager sur: