« Redombe fahatsiarovana » : tarika folo mahery hiatrika izany

Seho tsy fahita firy! Ho fahatsiarovana ny soa eo amin’ny kolontsaina napetrak’ireo mpamorona efa nodimandry. Hotanterahina ao amin’ny Auditorium Havoria Anosy, ny 16 novambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ilay rindrankira « Redombe fahatsiarovana ». Fantatra fa mihoatra ny folo ireo tarika handray anjara amin’ity: So­lika, Ndriana Ramamonjy, R’Im­bosa, Lala Doris, Ny Angola Itokiana, Tsi’Ahy, Ny Antsa Mikalo, Karoka Dinar­son, Kolibera ary ny fianakavian’ireo nodimandry. Marihi­na fa ny Sehatra Bagasy no mpikarakara sady mpanatontosa ity hetsika ity.
Raha ny fantatra, anisan’ny rindran-kira tsara fanomanana ny « Redombe fahatsiarovana ». Saika nampiasaina nandritra ireo famerenana tsy tapaka izay fomba hoentina mampanakaiky ny aingam-panahy namoronana ny hira hatrany am-boalohany sy ny tolotra hiala avy eny an-tsehatra mandritra ny seho. Anisan’izany ny solfa nosoratan’ny tompon’ny sanganasa. Teo ihany koa ny fihainoana ny fandraisam-peo voatahiry efa ela. Ankoatra ireo, nanana ny lanjany lehibe ny fahatongavan’ny fianakavian’ireo mpamorona efa nodimandry.
Amin’ny ankapobeny, ireo andrarezin’ny Bagasy no handray anjara amin’ity « Redom­be fahatsiarovana » ity. Ho tazana eny an-toerana ireo tanora anisan’ny manana ny hoavy mamiratra amin’ny fa­melomana sy fikajiana ary fanapariahana ny tontolon’ny Bagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: