JJB-“Fight Cage” : renioney 5 no hifandona amin’ny Malagasy

Raikitra ny fiadiana iraisam-pirenena momba ny “Fight Cage” karakarain’ny Guerre­ros Team. Fifaninanana hotanterahina rahampitso, ao amin’ ny Kianja mitafon’i Mahama­sina. Nambaran’ny mpikara­kara fa ady iraisam-pirenena
5 no hitranga mandritra io fifaninanana goavana io. Sam­bany no hisy fifaninanana anaty “cage” eto Madagasi­kara. Taranja Jiu-jitsu sy Grap­pling, Pancrace ary K1 no hifaninanana ary ny K1 ihany no tsy hisy ady iraisam-pire­nena, noho ny tsy fahafahan’ ny mpifanandrina avy ao La Réunion, araka ny fanazavan’ ny mpikarakara hatrany. Efa tonga ny talata teo koa ny mpifanandrina renioney iray eo amin’ny taranja pancrace, izay hifandonana amin’ny mpikatroka malagasy, Razafinjato Totiana Rinho, sokajy -80kg. Sambany ho an’i Rinho no hiatrika io ady iraisam-pire­nena, taranja Pancrace, io. “Matoa tonga eto ny mpifanandrina dia vonona ny hiady izy, efa vonona ny hanohitra ihany koa anefa aho”, hoy ny nohamafisin’i Rinho. Ho avy anio kosa ireo vahiny 4 hafa, eo amin’ny Jiu-jitsu sy Grap­pling. Anisan’izany, ny mpifanandrina amin’i Nicky Diallo
(-77kg), taranja Grappling. Nambaran’i Nicky fa ela izy no nanomana ity fifaninanana ity ary vonona tsara. Hanoma­nana sahady ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hanomboka amin’ny herinandro ity fifaninanana ity, ho an’ny taranja Jiu-jitsu brezi­liana. Mandray anjara amin’ity avokoa ny ankamaroan’ny solontena malagasy ho any Abu Dhabi ary misy ny ha­nainga amin’io zoma alina io ihany. Mikotrana etsy amin’ny Playbox Analamahitsy izy ireo.

Mi.Raz

Partager sur: