Hitohy ny “Week-end mitorajofo” eny Imerintsiatosika. Taorian’ny hiragasy nifanandrinan’ny tarika Ramilison Besigara sy ry Sahondrafinina, omaly, handray an’i Agrad indray ny kianja malalaka LVTT Imerintsiatosika, anio. Hofaranan’ny tarika zandry Gasy amin’ny “Bà gasy mazia romotra” kosa izany ny alahady 3 novambra.
Fiverenana any amin’ny fototra. Samy mibobobobo amin’ny filazana azy io ny rehetra. Ny an’ny sasany, « io izao no lamaody ». Ny an’ny hafa: « efa mivily any amin’ny tsy izy ny taranaka ankehitriny, noho izany, aleo miverina any amin’ny fototra ». Ao koa ireo milaza fa: « ampy izay ny endrika ivelany », sns. Ny hadinodino, manana anjara goavana be amin’ny fiverenana any amin’ny fototra ny zokiolona sy ny antim-panahy. Omen’ny fiarahamonina ny toerana sahaza azy ve anefa izy ireny?
Tanterahina nanomboka ny alakamisy teo hatramin’ny alahady izao, ao Toamasina, ny “Makua Festival Music” andiany voalohany. Hetsika natao hanomezana sehatra sy hampiroboroboana ny zavakanto amin’iny faritra Atsinanana iny. Mpanakanto maro samihafa avy ao an-toerana no mandray anjara amin’izany. Ankoatra ny zavakanto fanararaotra ho an’ny mpisehatra eo anivon’ny toekarena ihany koa izany.
Hiaka-tsehatra eny amin’ny AFT Andavamamba ny Tropy Antananarivo Teatra, rahampitso. Ny piesy teatraly “Ilay lakile roa” no lalaovin’izy ireo an-tsehatra, mandritra izany. Tantara izay maneho ny zava-misy ankehitriny, izay haseho ao anaty zavakanto tena mampiala voly tokoa.