Vaindohan-draharahan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny hanatsara ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Antony nametrahana ny « comptoir unique » ao amin’ny foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny tetibola sy ny fitantanam-bolan’ny minisitera (SGEAE). Notokanana ny alakamisy teo ity sampandraharahana ity ka natao handraisana sy hikarakarana ny antontan-taratasin’ireo mpiasam-panjakana, hatramin’ny fisotroan-dronono. Hampiasana ny haitao ara-kajy mirindra sy ahitana ny rindrambaiko e-tantana sy e-laharana ireo fitaovana misy ao. « Ho vita ao anatin’ny 48 ora ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra raha toa ka nahatratra hatrany amin’ny 96 ora izany teo aloha. Hampitombo avo roa heny ihany koa ny dosie ho raisina isan’andro ity sampana vaovao ity. Izany hoe, hiakatra 300 isa izany raha toa ka 142 isa teo aloha », hoy ny fanazavana voaray. Mifampitohy sy mifampiankina, ara-kalitao, ny asa rehetra atao. Miantoka ny fiarovana ireo angon-kevitra ny famokarana antontanisa azo antoka.
Henintsoa H.