MFFT-SIF : fametrahana ny vovonana ho an’ny fananantany

Natao ny alarobia 31 oktobra teo ny fifampidinihana nokarakarain’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) sy ny vovonana fikambanana Sehatra iombonan’ny fananantany (SIF). Nambaran’ny tale jeneralin’ny MMFT, Rakotobe Mamin’Ny Aina, fa hatsangana ny vovonana eken’ny rehetra entina hanatsarana ny fitantanana ny fananantany, hanatsarana ny lafin-tany. Misolo tena ny fanjakana ny MFFT, ka andraikiny ny mandrindra ny asa hatao. Nomarihin’ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny SIF, Rakotomalala, fa ilaina ny fifampiresahana sy fifampidinihina toy izao hamahana ny olana rehetra. Ho an’ny mpandrindra nasionalin’ny SIF, Soavina Lahatra, hisy ny sori-dalana aorian’ity fifampidinihana ity. Ho faritana ny laharam-pahamehana sy ny asa hatao, entina hanamafisana ny fitantanana ny lafin-tany. Ho fantatra ny andraikitry ny tsirairay, eken’ny rehetra, mifanaraka amin’ny fandaharanasan’ny fananantany. Tsiahivina fa nohavaozina tamin’ny taona 2005 ny satan’ny fananantany (LPF).

Nohavaozina ny lalàna
Nofoanana ny fitompoan’ny fanjakana ny tany, fa manome zo ny olon-tsotra manajary azy, ka napetraka ny karatany. Notohizana ny fanavaozana ny taona 2015. Na izany aza, mbola nisy ny tsy firindran’ny pitsopitsony sasany, nahatonga izao fifampidinihana izao. Nandray anjara tamin’ity fifampidinihana ity avokoa ny solontenan’ny minisitera voakasika, toy ny Fananantany (MFFT), ny Tontolo iainana (Medd), ny Fambolena (Minae), ny Jono (MPEB), ny Fitsarana. Teo koa ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD), ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (FAO, GIZ, RRI) ary ny fiarahamonim-pirenena (OSC).

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: