Tontosa tetsy amin’ny toby fiantsonan’ny fiara, Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny fampisehoana “Revy sy vazo mandona”. Hetsika nokarakarain’ny Be Mozik. Nitondrana ireo mozika mandona sy vazo miteny.
Nifarimbona nanafana ny fampisehoana ireo mpanakanto maro samihafa, toa an-dry Samoela, Lôlô sy ny tariny, Rah-ckiky, Bebey sy Benny ary Nini. Hita teny an-toerana tao ihany koa ny tarika Ifanihy, Ralanto ary Belahy. Tonga maro namaly ny antso ireo mpankafy. Maro anisa teny an-toerana ny tanora, lahy sy vavy. Nankafy manokana ny vazo miteny sy ireo hira tsy lefy laza hatramin’izay ny ankamaroan’izy ireo ka antony nanatrehany iny seho omaly iny, raha nanontaniana. “Tsy mbola lefy laza sy tsy afaka ambavanay mpankafy ireo hira fahiny nahafantarana ireo mpanakanto nandray anjara tamin’ity fampisehoana ity”, hoy ireo mpankafy. Fihaonana nanjakan’ny vazo miteny tanteraka ny seho. Nambaran’ireo mpijery hatrany fa nahafa-po tanteraka ny seho satria nampiaina ny mozikany mandona sy ny hirany tsy lefy laza avy ireo mpanakanto nanafana ny seho na dia eo aza ny firoborobon’ny hira amin’izao fotoana izao.
Nanana adiny iray avy ireo mpandray anjara
Tamin’ny ankapobeny, nanana adiny iray sy sasany teo ho eo avy ireo mpankananto nandray anjara nanomezany ny tsara indrindra ho an’ireo mpijery teny ambony sehatra. Tsy afaka am-bavan’ny maro ireo hira. Anisan’izany ny nentin-dry Lolo sy ny tariny, toy ny “Marie Katisoa”, “Ilay akanjo fotsy”, “any lavidavitra any”, “Raha mankany”, “Zakaranda”, sy ny maro hafa. Ankoatra izay, nanaingo izany ihany koa ny haingon-tsehatra sy jiro maroloko nandravahana ny teny an-toerana. Nanomboka tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ny fampisehoana ary naharitra ora maro vao nalaina nisaraka ireo mpankafy sy ny mpanakanto. “Hitarina sy hoentina any amin’ny faritra fa tsy ajanona eto Antananarivo ihany ny fampisehoana”, hoy ny mpikarakara. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy rehetra manerana ny Nosy.
Mino