Fiderana Goavambe : nitondra hery vao ny TDL

Amin’ny ankapobeny, niompana tamin’ny fampahatsiahivana indray fa tsy irery ny olona tsirairay fa manana an’Andriamanitra ny seho « Fiderana Goavambe », notontosain’ny TDL, omaly, tetsy Antsahamanitra. Nitondra herim-panahy vaovao sy fankaherezana ho an’ny mpijery tonga teny an-toerana izy ireo. Saika nohirain-dry zareo rahateo ireo sanganasany mirakitra izany. Nanotrona ny True Direction Life (TDL) ny tarika Gasy Tsara Midera sy i Henika, izay samy nanasongadina ny halehiben’ny voninahitra sy fahefan’Ilay Avo indrindra.
… Tazana teny an-toerana ihany koa ilay hetaheta sy hafanam-pon’ireo mpijery te hiverina indray amin’ny fiarahana amin’Andriamanitra. Tsikaritra ho miantoraka amin’ny halehiben’ny hery sy voninahitr’Andriamanitra, manoloana ny zava-manjo azy ny Malagasy, raha ny endrika sy fihetsika tazana tamin’ny mpijery.
Nifameno tanteraka ny tononkira teo amin’ny tarika telo tonta (TDL, Gasy Tsara Midera ary i Henika), hany ka tahaka ny fianakaviana iray no nahitana ny mpijery sy ny teny an-tsehatra. Namaly ny hetahetan’ireo teny an-toerana ny sanganasan’ireto mpanakanto samy manana ny maha izy azy ireto.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: