sanganasan’i Mozart : nofohazin’ny Madagascar Orchestra

Wolfgang Amadeus Mozart, iray amin’ireo andrarezina amin’ny famoronana eo amin’ny tontolon’ny mozika klasika. Tao anatin’iny herinandro nivalona iny no nanatanterahin’ny Madagascar Orc­hes­tra seho «Nuit en­chantée avec Mozart» ho famohazana indray ny sanganasany, tao amin’ny Le Grand café de la Gare (Salle de l’Horloge). Tao anatin’ny fizarana voalohany no niangalian-dry zareo ny « Adagio and fugue en Do min KV 5463 » sy ny « Divertimento en Fa maj K 138 ». Nandritra ity fampisehoana ity no nahitana sy nahatsapana fa tsy voahidy anaty faritra na firenena vitsy ny famoronana nataon’i Mozart fa miparitaka sy mivelatra maneran-tany. Notsia­hivina sy nampahafantarin’ny Mada­gascar Orchestra, tamin’ny alalan’ny filalaovana ny sanganasany rahateo io maha andrarezina an’i Mozart io. Iray amin’ireny ny fahaiza-mifehy ny fiarahan’ny feo sy ny aingam-panahy eo am-pitendrena. Ny fizarana faharoa tamin’ity seho ho fampahafantarana an’i Mozart sy ny sanganasany ity no nameloman’ny Mada­gascar Orches­tra ireo «musi­ques du monde» sy ny vakodrazana malagasy (musiques fokloriques malagasy). Mari­hina fa i An­tsa­nirina Rakoto­arimino no nitarika (Direction musicale) ny Madagascar Orchestra nandritra ny « Nuiy encantée avec Mozart ».
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana karakarain’ ny Madagascar Mozarteum kosa ny seho ao amin’ny AFT Andavamamba, ny 10 novambra izao, amin’ny 4 ora tolakandro.

Nanangona :
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: