TARATRY ny KANTO

Fotoana nanomezana sehatra ireo mpanan-talenta rehetra amin’ny fahaizana mamorona lahatsoratra sy tononkalo ary ny fahaizana miantsa izany amin’ny endrika slam tetsy amin’ny Institut français Madagascar (IFM) Analakely, ny sabotsy lasa teo. Tonga nanatrika sy nandray anjara tamin’izany ireo tanora maro. Nanentana sy nikarakara ny hetsika ny avy amin’ny fikambanana Madagaslam. Tanjona ny hampiakatra ny lentan’ny slam malagasy.
Manomboka mahazo vahana eo amin’ny Malagasy ny fitiavana mozika klasika. Na izany aza, mbola misy ihany ireo manasokajy azy ity ho mozikan’ny olona lalin-tsaina. Tsara ho marihina anefa fa tsy ny vahiny ihany no manana ny klasika fa saika ahitana azy io avokoa ny firenena rehetra. Anisan’ireny i Madagasikara izay manana mpamoron-kira havanana amin’ny klasika. Amin’ny ankapobeny, mozika mandranitra ny saina ny klasika.
Anisan’ny fialamboly ankafizin’ny maro ny fampisehoana hatsikana. Toy ny hita tetsy amin’ny Bamboo Lodge Antsahavola, ny sabotsy hariva teo. Hetsika nokarakarain’ny Be Tige Comedy. Nanafana ny seho ireo mpanakanto efatra, nahitana an-dry Dedss Claudio, Miranto Godar, Belou sy Ra-tsouh, Rakotoson Toavina. Fampisehoana niresahana sy nitantarana ny fiainana andavanandro, toy ny tantara mahakasika ny fiainan’ny Betsileo.
Mihavitsy ireo mirotsaka eo amin’ny tontolon’ ny hatsikana, raha oharina amin’ny hira. Tsy mahasarika ny tanora manan-talenta amina zavakanto loatra ny filalaovana hatsikana. Anisan’ny antony mahatonga izany ny tsy fahampian’ireo sekoly mampianatra izany sy ny tsy fananana mpitari-dalana. Na izany aza, fantatra fa firenena tia mihomehy ny Malagasy, saingy, sarotsarotra ny mamaky lay izany eny am-boalohany!

Partager sur: