Imerintsiatosika : tafapetraka ny vato fototry ny kaomisarian’ny polisy

Tafapetraka ny alakamisy 31 oktobra 2024 teo, ny vato fototry ny kaomisaria vaovao ao Ambohitrantenaina Imerin­tsiatosika. Tafiditra indrindra amin’ny vinan’ny Filoham-pirenena momba ny fampandrosoana mifototra amin’ny fijerena lavitra sy ny fanatsarana hatrany ny fandriampahalemana izany. Eo koa ny fanorenana tanàna vaovao izay ahitana ireo biraom-panjakana maro ilain’ny vahoaka, toy ny kaomisaria. Ao anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tanàn-dehibe rahateo izao hetsika izao. Nitarika izany tany an-toerana ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Gérard Andria­ma­nohisoa, niaraka tamin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny contrôleur général de police Rakotoari­mana­na Herilala sy ny governoran’ny faritra Itasy. “Manamarika ny fahasahiana ara-politikan’ny Filohan’ny Repoblika izao, indrindra ny fahaizana mitsinjo ny filan’ny vahoaka”, hoy ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana. Nanamafy kosa ny MSP fa fanatanterahan’ny polisim-pirenena ny politikam-panjakana izao fanorenana izao sady hitondra fandriampahalemana maharitra ao amin’ny faritra Itasy izany ka ahafahan’ny vahoaka mamokatra, hitarika fampandrosoana.

Jean Claude

Partager sur: