Fahombiazana tamin’ny lafiny rehetra. Ankoatra ny fampisehoana izay tena nalaza, nanome voninahitra ireo mpanakanto sy ireo olon’ny zavakanto, nanandratra ny mozika avy ao Toamasina ihany koa ny “Makua Festival Music”.
Fankasitrahana hatraiza hatraiza. Mendrika izany i Shyn sy Denise sy ireo niara-nisalahy tamin’izy ireo tamin’ny fanatontosana ny andiany voalohany tamin’ny “Makua Festival Music”. Fararanon-danonana ny faran’ny herinandro teo, tao Toamasina, noho iny hetsika goavana nahitam-pahombiazana iny.
Tao anatin’izany, tsy nanadino ny nipoirana, nahatsiaro ireo andrarezina ary nankasitraka ireo raiamandreny nitari-dalana tamin’ny fanandratana ny zavakanto ao Toamasina ry Shyn. Nisy ny fotoana manokana, nahatsiarovana ireo mpanakanto efa nodimandry, kanefa nametraka ny kantony ho lovan’ny Malagasy rehetra. Anisan’ireny ry Jean Freddy, Clarisse Ny Voanio, Dede Fenerivo, Zeze Mahanoro, sns. Nomena ireo taranaka ny mari-pahatsiarovana fa nahavita be ary namela mamy izy ireny.
Nankasitrahina toy izany koa ireo mpanakanto sy mpanandratra ny zavakanto, izay mbola eo ary nahavita be tamin’izany sehatra izany. Anisan’ireny i Dida Randriamifidimanana, izay raiamandreny iombonan’ireo tanora mpanakanto. Notoloran’ny “Comité international des arts et de la culture” ny mari-pankasitrahana “laurier d’or” izy, nandritra ny hetsika. Mpitily, mpikarakara ary mpanosika mpanakanto hivelatra amin’ny sanganasany i Dida Randriamifidimana nandritra ny taona maro, ary maro tamin’ireo no zanak’i Toamasina.
Fotoana iray nanehoan’ny mpikarakara ny fahaiza-manao sy ny haavo teknika sy artistika malagasy ihany koa iny andiany voalohany tamin’ny “Makua Festival Music” iny. Niakatra ny lentan’ny hetsika ara-javakanto, ary mitoetra ho maridrefy mila ihoarana iny, na ho an’ny andiany manaraka na ho an’ireo mpikarakara “festivals” manerana ny Nosy.
Lafiny fampisehoana, niezaka naneho ny lohahevitra, dia ny fiarahana anatin’ny fahasamihafana ny nisafidianana ireo mpanakanto avy amin’ny faritra maro. Tanora tamin’ny ankapobeny, ary ankafizin’ny mponin’i Toamasina ihany koa.
“Izao rehetra izao, avy tanatin’ny nofinofy avokoa. Mila ifikirana ny nofinofy, dia ezahina tontosaina. Ianao no mahafantatra fa tanteraka io. Ataovy tanjona, ifikiro ary tanteraho ny nofinao”, hoy i Shyn, nampita hafatra ho an’ny tanora teny antsefantsefan’ny fandraisany anjara.
Zo ny Aina