Fredo Rakotondrina, fantatry ny maro amin’ny anarana entiny miantsehatra hoe Kelly west, no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana “Beatbox Battle Madagascar 2024” teo amin’ny sokajy Solo. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Cercle Germano Malagay (CGM) Analakely, ny dingana famaranana tamin’izany. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, efa tena ambony be ny kalitaon’ny “Beatbox” eto Madagasikara ary miakatra isaky ny andiany amin’izany fifaninanana izany ny lentan’ny fahaizan’ireo mpandray anjara. Tanjon’ny mpikarakara ny hampiroborobo ity zavakanto iray ity sy hampivelatra ireo mpandray anjara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Ankoatra an’i Kelly West izay tompondaka fanindroany, voahosotra ho mpandresin’ny “Beatbox Battle Madagascar 2024” sokajy Tag team ihany koa ny CTS Beat Box. Marihina fa Malagasy mpiangaly BeatBox anisan’ny sangany no niatrika ity dingan’ny famaranana ity satria efa nisy ny fifantenana ka ireo valo tsara indrindra no niatrika izany dingan’ny famaranana izany. Anisan’izany i Leo, Toky, Ratom, Kelly West, Tsikypily, Xender, Jou-D ary Miguel ho an’ny teo amin’ny sokajy Solo. Tarika miisa efatra, ahitana ny Jutsu, CTS Beatbox, DJ ary 50NF kosa no voafantina niatrika izany dingana izany ho an’ny sokajy Tag Team.
Lin