TARATRY ny KANTO

Ho avy eto Madagasikara i Amine Radi. Mpanao hatsikana maraokanina, monina any Frantsa izy. Hisy fampisehoana hataony ny 13 desambra izao, eny amin’ny CCI Ivato, izay karakarain’ny Ami Vision Madagascar. Irony hatsikana miendrika video miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera irony no tena nahafantarana an’i Amine Radi. Anisan’ireny ny nanaovany ilay hoe “Quand tu sors avec une Malgache”.
Hanatanteraka seho indroa miantoana ny Madagascar Orchestra. Ny alahady 10 novambra izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, ao amin’ny AFT Andavamamba sy ny 12 novambra, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro, ao amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny famelomana ny sanganasan’i Mozart, ny an’i Morricone, ary ny an’i Barijaona, sns.
Miditra amin’ny « Volan’ny sary » na ny «Mois de la photo» ny eo amin’ny sehatry ny zavakanto amin’ity volana novambra ity. Hanokatra izany ny hetsika eny amin’ny Aft Andavamamba, manomboka anio hatramin’ny 16 novambra 2024. Ny mahakasika ny lalamby no rantin-tsary pika haseho ao anatin’izany.
Fantatra ny faran’ny herinandro teo ihany koa ny solontenan’i Toamasina sy Antananarivo amin’ny “Slam national 15”. Ity fifaninanana nasionaly ity izay hatao ny 28 novambra 2024 hatramin’ny 7 desambra 2024, eto Antananarivo sy Antsirabe. Marihina fa izay mivoaka mpandresy amin’izy ity no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena.

Partager sur: