“Tsy ankiteniteny”, miaraka amin’i Silo. Manome fotoana ireo tia mozika, ireo mpankafy azy manokana ary ireo izay akaiky azy ity mpanakanto ity, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, eny amin’ny NO comment Bary Isoraka. “Tsy ankiteninteny” satria tsy misy nampahafantarin’i Silo ny hitondrany ny fety, fa dia hanamarihany ny tsingerin-taonany izany. Ny azo antoka aloha dia mozika mivelatra be…
Velakevitra iarahana amin-dRasamoelina Jean Maurice, mpikabary. Hotontosaina anio manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, izy ity. “Ny varavaram-bato sy ny varavaran-kazo: Ireo teny feno fahendrena fanao an-karatsiana faha Ntaolo” ny lohahevitra hovoaboasana
mandritra izany, ka hanasana ireo rehetra liana.
Eny amin’ny Trano famakiam-boky Antsararay indray no hanatanterahina ny hetsika « Lecture en rire », amin’ity anio ity. Hetsika izay natao hampiroboroboana ny vaky boky. Mpanao hatsikana sy Slam maro no haneho ny aingam-panahiny amin’ny alalan’ny vaky boky mandritra ny hetsika. Miara-miasa amin’ny fanatontosana izany ny “Be tige”, fikambanana mpanao
hatsikana, sy ireo mpiangaly Slam matihanina.
Rehefa avy any Toamasina. Hiverina kely eto afovoantany indray ny Tanora Masina Itaosy, ny alahady 10 Novambra 2024 izao manomboka amin’ny
2 ora sy sasany, eny amin’ny FJKM Fonenana Masina Fihavaozana Anosizato Andrefana. Ity 2024 ity no anisan’ny taona nanatanterahin’ny TMI seho sehatra maro indrindra. Nisy tamin’izy ireny ny ankalamanjana. Tsy vitsy ihany koa ny tany anaty efitrano.